# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ity no fiatombohan'ny hafatry ny Zanak'Olona mankany amin'ny anjelin'ny fiangonana ao Smyrna. # Smyrna Anaran-tanĂ na iray ao Asia, izay Torkia amin'izao fotoana izao. # Izaho no voalohany sy farany Izany dia maneho ny maha-izy Azy an'i Jesosy. # Fantatro ireo fahorianao sy ny fahantranao Afaka atao hoe: "Fantatro fa mijaly sy mahantra ianao" # Fantatro ny fitenenan-dratsy ho an'ireo izay miteny ny tenany fa Jiosy Afaka atao hoe: "Fantatro fa ireo izay miteny hoe Jiosy izy ireo dia miteny ratsy anao" na "Fantatro fa ireo izay miteny hoe Jiosy izy ireo dia miteny zavatra mahatsiravina momba anao" # kanefa tsy izy "tsy tena Jiosy izy ireo" # Synagogan'i Satana izy ireo Ny olona izay miombona mba hankato na hanome voninahitra an'i Satana dia resahina toy ny hoe synagoga, toeran'ny fivavahana sy fampianarana ho an'ireo Jiosy.