plt_tn/psa/134/001.md

684 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.

Fihirana fiakarana

Ireo mety ho heviny dia 1) "Hira izay nohirain'ny vahoaka raha niakatra nankany Jerosalema ho amin'ny fankalazana' na 2) "Hira nohirain'ny vahoaka raha niakatra tamin'ny kitohatohatra tany an-tempoly" na 3) "Hira izay tahaka ny dia ny teniny."

ianareo mpanompon'i Yaveh rehetra

"ianareo manompo an'i Yaveh rehetra"

Asandrato ny tananareo

Izany no fomba fivavaky ny Israely amin'Andriamanitra na fiderany an'Andriamanitra.

any amin'ilay fitoerana masina

Ireo mety ho heviny dia 1) "ao an-tempoly" na 2) "ao amin'ny fitoerana masina ao an-tempoly"