plt_tn/psa/119/001.md

943 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.

ALEFA

Ity no anaran'ny litera voalohany amin'ny alfabeta Hebreo.

Sambatra izay

"Endrey ny hatsarana ho an'izay"

izay tsy misy tsiny ny lalany

Ny fomba fitondran-tenan'olona iray dia lazaina toy ny hoe "lalana." DH: "izay tsy misy afaka hanome tsiny amin'izay zavatra diso"

izay mandeha amin'ny lalàn'i Yaveh

Ny fomba hiainana na fitondran-tenan'olona iray dia lazaina toy ny hoe mamindra. DH: "izay miaina araka ny lalàn'i Yaveh" na "izay mitandrina ny lalàn'i Yaveh." Ity andianteny ity dia manazava tsara ny hevitry ny "izay tsy misy tsiny ny lalany"

izay mitady Azy amin'ny fony manontolo

Ny "mitady" an'Andriamanitra midika fa te hahalala Azy.

amin'ny fony rehetra

Izany dia fomba fiteny midika fa mafy dia mafy na amin-kitsipo. DH: "amin'ny tenany rehetra" na "amin'izay rehetra eny aminy" na "amin-kitsipo"