# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo. # ALEFA Ity no anaran'ny litera voalohany amin'ny alfabeta Hebreo. # Sambatra izay "Endrey ny hatsarana ho an'izay" # izay tsy misy tsiny ny lalany Ny fomba fitondran-tenan'olona iray dia lazaina toy ny hoe "lalana." DH: "izay tsy misy afaka hanome tsiny amin'izay zavatra diso" # izay mandeha amin'ny lalàn'i Yaveh Ny fomba hiainana na fitondran-tenan'olona iray dia lazaina toy ny hoe mamindra. DH: "izay miaina araka ny lalàn'i Yaveh" na "izay mitandrina ny lalàn'i Yaveh." Ity andianteny ity dia manazava tsara ny hevitry ny "izay tsy misy tsiny ny lalany" # izay mitady Azy amin'ny fony manontolo Ny "mitady" an'Andriamanitra midika fa te hahalala Azy. # amin'ny fony rehetra Izany dia fomba fiteny midika fa mafy dia mafy na amin-kitsipo. DH: "amin'ny tenany rehetra" na "amin'izay rehetra eny aminy" na "amin-kitsipo"