plt_tn/psa/103/014.md

967 B

fantany fa vovoka isika

Rehefa namorona an'i Adama i Yaveh, dia ilay lehilahy voalohany noforoniny tamin'ny vovoka. DH: "tsaroany fa noforoniny tamin'ny vovoka isika"

Raha ny amin'ny olona, dia tahaka ny ahitra ny androny

Amin'ity fampitahana ity, ny halavan'ny fiainan'olona iray dia ampitahaina amin'ny hafohezan'ny fotoana hitomboan'ny ahitra mialohan'ny hafatesan'izany. DH: "Ny halavan'ny fiainan'olona dia fohy tahaka ny an'ny ahitra"

mamony tahaka ny voninkazo any an-tsaha izy

Amin'ity fampitahana ity, ny fomba hitomboan'ny olona dia ampitahaina amin'ny fomba hitomboan'ny voninkazo.

mamony

Ny "mamony" dia mitombo tsara na salama.

Tsofin'ny rivotra izany, ka manjavona ... taiza no nanirian'izany taloha

Ireo andianteny ireo dia manohy miresaka momba bny voninkazo sy ahitra. DH: "Ny rivotra mitsoka ny vonikazo sy ahitra ka dia manjavona ireny, ary tsy misy afaka hilaza izay nanirian'izany teo aloha—toy izany koa amin'ny olombelona"