# fantany fa vovoka isika Rehefa namorona an'i Adama i Yaveh, dia ilay lehilahy voalohany noforoniny tamin'ny vovoka. DH: "tsaroany fa noforoniny tamin'ny vovoka isika" # Raha ny amin'ny olona, dia tahaka ny ahitra ny androny Amin'ity fampitahana ity, ny halavan'ny fiainan'olona iray dia ampitahaina amin'ny hafohezan'ny fotoana hitomboan'ny ahitra mialohan'ny hafatesan'izany. DH: "Ny halavan'ny fiainan'olona dia fohy tahaka ny an'ny ahitra" # mamony tahaka ny voninkazo any an-tsaha izy Amin'ity fampitahana ity, ny fomba hitomboan'ny olona dia ampitahaina amin'ny fomba hitomboan'ny voninkazo. # mamony Ny "mamony" dia mitombo tsara na salama. # Tsofin'ny rivotra izany, ka manjavona ... taiza no nanirian'izany taloha Ireo andianteny ireo dia manohy miresaka momba bny voninkazo sy ahitra. DH: "Ny rivotra mitsoka ny vonikazo sy ahitra ka dia manjavona ireny, ary tsy misy afaka hilaza izay nanirian'izany teo aloha—toy izany koa amin'ny olombelona"