plt_tn/psa/068/014.md

1010 B

Nampiely mpanjaka tany ... nisian'ny orampanala tany amin'ny tendrombohitra Zalmona

Nisy mpanjaka marobe sy miaramila maty tany amin'ny tendrombohitra ka lazain'izy ireo toy ny hoe oram-panala mandrakotra ny tendrombohitra. DH: "nandavo mpanjaka fahavalo sy miaramila marobe tany ka tahaka ny bohabohan'orampanala mandrakotra ny tendrombohitra Zalmona izy ireo"

Nampiely mpanjaka

Eto "mpanjaka" manondro ireo tafiny ihany koa. DH: "nampiely ireo mpanjaka fahavalo sy ireo tafiny"

tendrombohitra Zalmona

Izany dia anarana tendrombohitra.

Tendrombohitra mahery ny ... tendrombohitra avo ny

Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy ary miaraka ampiasaina mba hifanamafy hevitra. DH: "tendrombohitra mahery sy avo ny tany havoan'i Basana"

Nahoana ianao no mijery am-pitsiriritana ... ho toeram-ponenany?

Ity fanontaniana ity dia azo soratana ho fanambarana. DH: "Tsy tokony hijery am-pitsiriritana ny tendrombohitra izay irian'Andriamanitra ho toeram-ponenany ny tany havoan'i Basana"