# Nampiely mpanjaka tany ... nisian'ny orampanala tany amin'ny tendrombohitra Zalmona Nisy mpanjaka marobe sy miaramila maty tany amin'ny tendrombohitra ka lazain'izy ireo toy ny hoe oram-panala mandrakotra ny tendrombohitra. DH: "nandavo mpanjaka fahavalo sy miaramila marobe tany ka tahaka ny bohabohan'orampanala mandrakotra ny tendrombohitra Zalmona izy ireo" # Nampiely mpanjaka Eto "mpanjaka" manondro ireo tafiny ihany koa. DH: "nampiely ireo mpanjaka fahavalo sy ireo tafiny" # tendrombohitra Zalmona Izany dia anarana tendrombohitra. # Tendrombohitra mahery ny ... tendrombohitra avo ny Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy ary miaraka ampiasaina mba hifanamafy hevitra. DH: "tendrombohitra mahery sy avo ny tany havoan'i Basana" # Nahoana ianao no mijery am-pitsiriritana ... ho toeram-ponenany? Ity fanontaniana ity dia azo soratana ho fanambarana. DH: "Tsy tokony hijery am-pitsiriritana ny tendrombohitra izay irian'Andriamanitra ho toeram-ponenany ny tany havoan'i Basana"