plt_tn/psa/068/001.md

32 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
# Ho an'ny mpiventy hira
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
# Salamo nataon'i Davida
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida ` ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
# Aoka hitsangana Andriamanitra
Andriamanitra manomboka miasa dia lazaina toy ny hoe Izy mitsangana. DH: "Aoka Andriamanitra hanomboka hiasa"
# Tahaka ny setroka miely, no hanelezana azy ireo
Ireo fahavalon'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe setroka izay mora voatsokan'ny rivotra. DH: "Roahy tahaka ny rivotra mitsoka setroka izy ireo"
# toy ny savoka miempo manoloana afo
Ireo fahavalon'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe savoka izay mora miempon'ny afo. DH: "ampanjavony tahaka ny savoka miempo manolana afo izy ireo"
# ny ratsy fanahy
Izany dia manondro ireo olona ratsy fanahy amin'ny ankapobeny.
# hiravoravo ka dia ho faly
Ireo dia midika zavatra mitovy ary manamafy ny fatran'ny hafaliana tsapan'izy ireo.