plt_tn/psa/066/010.md

923 B

Nitondra anay tao anaty harato Ianao

Ny famaizan'Andriamanitra dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe nosamborin'Andriamanitra tao anaty harato ny olony.

harato

fandrika fisamborana vorona sy biby

nametraka enta-mavesatra teo am-balahanay Ianao

Toy ny hoe nitondra enta-mavesatra tao an-damosiny ny filazan'ny mpanoratra ny fiaretan'ny vahoaka.

Efa nataonao nitsahin'ny olona ny lohanay

Izany ny endriky ny faharesena mahatsiravina any an'ady. DH: "toy ny hoe nandresy anay tany an'ady ireo fahavalonay ary avy eo dia nitondra ireo kalesiny teo amin'ireo fatinay nitsirara"

namakivaky afo sy rano izahay

Nizaha toetra azy ireo tamin'ny loza voajanahary toy ny afo sy tondra-drano Andriamanitra. DH: "nijaly tahaka ny olona ampijalian'ny afo sy tondra-drano izahay"

toerana midadasika

Toy ny hoe nentina tany amin'ny toerana malalaka azo antoka izy ireo. DH: "toerana malalaka izay azo antoka ho anay"