plt_tn/psa/066/010.md

24 lines
923 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Nitondra anay tao anaty harato Ianao
Ny famaizan'Andriamanitra dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe nosamborin'Andriamanitra tao anaty harato ny olony.
# harato
fandrika fisamborana vorona sy biby
# nametraka enta-mavesatra teo am-balahanay Ianao
Toy ny hoe nitondra enta-mavesatra tao an-damosiny ny filazan'ny mpanoratra ny fiaretan'ny vahoaka.
# Efa nataonao nitsahin'ny olona ny lohanay
Izany ny endriky ny faharesena mahatsiravina any an'ady. DH: "toy ny hoe nandresy anay tany an'ady ireo fahavalonay ary avy eo dia nitondra ireo kalesiny teo amin'ireo fatinay nitsirara"
# namakivaky afo sy rano izahay
Nizaha toetra azy ireo tamin'ny loza voajanahary toy ny afo sy tondra-drano Andriamanitra. DH: "nijaly tahaka ny olona ampijalian'ny afo sy tondra-drano izahay"
# toerana midadasika
Toy ny hoe nentina tany amin'ny toerana malalaka azo antoka izy ireo. DH: "toerana malalaka izay azo antoka ho anay"