plt_tn/psa/066/001.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity Salamo ity dia hira fiderana.

Ho an'ny mpiventy hira

"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry mba hampiasaina ao anaty fanompoam-pivavahana"

Manaova hiakam-pifaliana ho an'Andriamanitra, ry tany rehetra

Ny hoe "hiakam-pifaliana ho an'Andriamanitra" dia ilazana ny fihirana sy ny hiakam-piderana ho an'Andriamanitra. DH: "Aoka ny tany rehetra hihira sy hihiaka am-pifaliana ho an'Andriamanitra"

ry tany rehetra

Izany dia ilazana ny olona rehetra monina ambonin'ny tany. DH: "ny olona rehetra ambonin'ny tany"

mihirà mafy ny voninahitry ny Anarany; omeo voninahitra ny fiderana Azy

Mitovy ny hevitr'ireo andian-teny ireo ary niara-nampiasaina izany mba hanasongadinana ny hatsaran'Andriamanitra. DH: "mihirà ny hatsaran'ny anaran'Andriamanitra; mihirà fiderana mahatalanjona mahakasika fahalehibeazan'Andriamanitra"

ny voninahitry ny Anarany

Eto ny anaran'Andriamanitra dia manondro an'Andriamanitra ihany". DH: "ny voninahiny"