# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ity Salamo ity dia hira fiderana. # Ho an'ny mpiventy hira "Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry mba hampiasaina ao anaty fanompoam-pivavahana" # Manaova hiakam-pifaliana ho an'Andriamanitra, ry tany rehetra Ny hoe "hiakam-pifaliana ho an'Andriamanitra" dia ilazana ny fihirana sy ny hiakam-piderana ho an'Andriamanitra. DH: "Aoka ny tany rehetra hihira sy hihiaka am-pifaliana ho an'Andriamanitra" # ry tany rehetra Izany dia ilazana ny olona rehetra monina ambonin'ny tany. DH: "ny olona rehetra ambonin'ny tany" # mihirà mafy ny voninahitry ny Anarany; omeo voninahitra ny fiderana Azy Mitovy ny hevitr'ireo andian-teny ireo ary niara-nampiasaina izany mba hanasongadinana ny hatsaran'Andriamanitra. DH: "mihirà ny hatsaran'ny anaran'Andriamanitra; mihirà fiderana mahatalanjona mahakasika fahalehibeazan'Andriamanitra" # ny voninahitry ny Anarany Eto ny anaran'Andriamanitra dia manondro an'Andriamanitra ihany". DH: "ny voninahiny"