plt_tn/psa/066/001.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ity Salamo ity dia hira fiderana.
# Ho an'ny mpiventy hira
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry mba hampiasaina ao anaty fanompoam-pivavahana"
# Manaova hiakam-pifaliana ho an'Andriamanitra, ry tany rehetra
Ny hoe "hiakam-pifaliana ho an'Andriamanitra" dia ilazana ny fihirana sy ny hiakam-piderana ho an'Andriamanitra. DH: "Aoka ny tany rehetra hihira sy hihiaka am-pifaliana ho an'Andriamanitra"
# ry tany rehetra
Izany dia ilazana ny olona rehetra monina ambonin'ny tany. DH: "ny olona rehetra ambonin'ny tany"
# mihirà mafy ny voninahitry ny Anarany; omeo voninahitra ny fiderana Azy
Mitovy ny hevitr'ireo andian-teny ireo ary niara-nampiasaina izany mba hanasongadinana ny hatsaran'Andriamanitra. DH: "mihirà ny hatsaran'ny anaran'Andriamanitra; mihirà fiderana mahatalanjona mahakasika fahalehibeazan'Andriamanitra"
# ny voninahitry ny Anarany
Eto ny anaran'Andriamanitra dia manondro an'Andriamanitra ihany". DH: "ny voninahiny"