plt_tn/psa/051/005.md

1.0 KiB

Indro, teraka tamin'ny heloka aho ... Indro, maniry fahamendreham-pitokisana

Ny fampiasa anankiroa ny "indro" eto dia misarika ny saintsika ny fifanoheran'ireo zava-misy roa ireo. DH: "Teraka tamin-keloka marina dia marina tokoa aho ... Fa Ianao kosa maniry fahamendreham-pitokisana"

Indro, teraka tamin'ny heloka aho ... raha mbola notorotoronin-dreniko aho, dia efa tamin'ny fahotana

Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary miaraka ampiasaina ho fanamafisana.

teraka tamin'ny heloka aho

Ny maha mpanota dia lazaina toy ny hoe amin'ny heloka. DH: "efa mpanota aho hatramin'ny vao teraka"

raha mbola notorotoronin-dreniko aho, dia efa tamin'ny fahotana

Ny maha mpanota dia lazaina toy ny hoe amin'ny fahotana. DH: "eny fa na tamin'ny notorotoronin-dreniko aza, dia efa mpanota aho"

maniry fahamendreham-pitokisana

Ny fo dia maneho 1) ny fanirian'ny olona na 2) ilay olona manontolo. DH: "mila ahy haniry fahamendreham-pitokisana Ianao" na "mila ahy ho mendri-pitokisana Ianao"