plt_tn/psa/045/003.md

1.4 KiB

Apetraho eo anilanao ny sabatrao

Ny mpiady dia nitondra ny sabany amin'ny tranon-antsy izay ahantona amin'ny hetra eo amin'ny valahina. Hitsahatra eo amin'ny ilany. Io andianteny io dia mamaritra ny fihetsiky ny olona iray miomana ho amin'ny ady. DH: "Miomàna ny tenanao ho amin'ny ady"

mandehana amim-pandresena

Ny mpanoratra miteny amin'ny mpanjaka mba handeha amin'ny soavaliny na ny kalesiny ho amin'ny fandresena.

noho ny fahamendreham-pitokisana, fahalemem-panahy, sy ny fahamarinana

Ireo mety ho heviny dia 1) ireo avy no famaritana an'ilay mahery. DH: "satria ianao dia mendri-pitokiana, sy malemy fanahy, ary marina" na 2) ireo dia hatsaran-toetra izay iadiany hotohanana ho an'ny vahoaka eo ambany fanapahany. DH: "mba hanohanana fahamendreham-pitokisana, fahalemem-panahy, sy ny fahamarinana"

hanoro anao zavatra mampahatahotra ny tananao ankavanana.

Maro amin'ireo miaramila mpiady no nohazona ny sabany amin'ny tanana ankavanana rehefa niady. Eto, ny andianteny hoe "tanana ankavanana" dia manondro ny fahaiza-miady, izay tenenin'ny mpanoratra toy ny hoe olona izay afaka mampianatra ny mpanjaka amin'ny alalan'ny traikefa azony tany amin'ny ady. DH: "Hianatra ny hanatanteraka fety miaramila ianao amin'ny alalan'ny fiadiana amin'ny ady maro"

zavatra mampahatahotra

"asa mahatahotra." Izany dia manondro ny fandresen'ny miaramila izay mahatonga ireo fahavalony hatahotra azy ary ireo mpiray fahavalo aminy hanaja azy.