# Apetraho eo anilanao ny sabatrao Ny mpiady dia nitondra ny sabany amin'ny tranon-antsy izay ahantona amin'ny hetra eo amin'ny valahina. Hitsahatra eo amin'ny ilany. Io andianteny io dia mamaritra ny fihetsiky ny olona iray miomana ho amin'ny ady. DH: "Miomàna ny tenanao ho amin'ny ady" # mandehana amim-pandresena Ny mpanoratra miteny amin'ny mpanjaka mba handeha amin'ny soavaliny na ny kalesiny ho amin'ny fandresena. # noho ny fahamendreham-pitokisana, fahalemem-panahy, sy ny fahamarinana Ireo mety ho heviny dia 1) ireo avy no famaritana an'ilay mahery. DH: "satria ianao dia mendri-pitokiana, sy malemy fanahy, ary marina" na 2) ireo dia hatsaran-toetra izay iadiany hotohanana ho an'ny vahoaka eo ambany fanapahany. DH: "mba hanohanana fahamendreham-pitokisana, fahalemem-panahy, sy ny fahamarinana" # hanoro anao zavatra mampahatahotra ny tananao ankavanana. Maro amin'ireo miaramila mpiady no nohazona ny sabany amin'ny tanana ankavanana rehefa niady. Eto, ny andianteny hoe "tanana ankavanana" dia manondro ny fahaiza-miady, izay tenenin'ny mpanoratra toy ny hoe olona izay afaka mampianatra ny mpanjaka amin'ny alalan'ny traikefa azony tany amin'ny ady. DH: "Hianatra ny hanatanteraka fety miaramila ianao amin'ny alalan'ny fiadiana amin'ny ady maro" # zavatra mampahatahotra "asa mahatahotra." Izany dia manondro ny fandresen'ny miaramila izay mahatonga ireo fahavalony hatahotra azy ary ireo mpiray fahavalo aminy hanaja azy.