plt_tn/psa/045/003.md

20 lines
1.4 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Apetraho eo anilanao ny sabatrao
Ny mpiady dia nitondra ny sabany amin'ny tranon-antsy izay ahantona amin'ny hetra eo amin'ny valahina. Hitsahatra eo amin'ny ilany. Io andianteny io dia mamaritra ny fihetsiky ny olona iray miomana ho amin'ny ady. DH: "Miomàna ny tenanao ho amin'ny ady"
# mandehana amim-pandresena
Ny mpanoratra miteny amin'ny mpanjaka mba handeha amin'ny soavaliny na ny kalesiny ho amin'ny fandresena.
# noho ny fahamendreham-pitokisana, fahalemem-panahy, sy ny fahamarinana
Ireo mety ho heviny dia 1) ireo avy no famaritana an'ilay mahery. DH: "satria ianao dia mendri-pitokiana, sy malemy fanahy, ary marina" na 2) ireo dia hatsaran-toetra izay iadiany hotohanana ho an'ny vahoaka eo ambany fanapahany. DH: "mba hanohanana fahamendreham-pitokisana, fahalemem-panahy, sy ny fahamarinana"
# hanoro anao zavatra mampahatahotra ny tananao ankavanana.
Maro amin'ireo miaramila mpiady no nohazona ny sabany amin'ny tanana ankavanana rehefa niady. Eto, ny andianteny hoe "tanana ankavanana" dia manondro ny fahaiza-miady, izay tenenin'ny mpanoratra toy ny hoe olona izay afaka mampianatra ny mpanjaka amin'ny alalan'ny traikefa azony tany amin'ny ady. DH: "Hianatra ny hanatanteraka fety miaramila ianao amin'ny alalan'ny fiadiana amin'ny ady maro"
# zavatra mampahatahotra
"asa mahatahotra." Izany dia manondro ny fandresen'ny miaramila izay mahatonga ireo fahavalony hatahotra azy ary ireo mpiray fahavalo aminy hanaja azy.