plt_tn/psa/044/015.md

900 B

Manoloana ahy ny fahafam-baraka

Ny mpanoratra miteny ny fahafam-barakany toy ny hoe zavatra izay eo alohany mandrakariva ho jereny. Ny andianteny dia midika fa mieritreritra lava ny fahafam-barakany izy. DH: "mieritreritra momba ny fahafam-barakako aho"

mandrakotra ahy ny henatry ny tavako

Ny mpanoratra milaza ny henatra mahazo azy tahaka ny hoe zavatra izay mandrakotra azy toy ny bodofotsy norakofany. DH: "ny henatry ny tavako nandifotra ahy"

ny henatry ny tavako

"ny henatra izay miseho eny amin'ny tavako." Izany dia manondro ny endrika asehon'ny tarehy vokatry ny henatra.

nohon'ny feony izay miteny mafy sy maniratsira

Eto ny teny hoe "ny feo" dia manondro izay lazain'ilay olona. DH: "noho izay lazain'ny olona izay miteny mafy sy maniratsira ahy"

miteny mafy sy maniratsira

Ireo teny roa ireo dia manana hevitra mitovy ary manamafy ny hamafisan'izay lazain'io olona io.