# Manoloana ahy ny fahafam-baraka Ny mpanoratra miteny ny fahafam-barakany toy ny hoe zavatra izay eo alohany mandrakariva ho jereny. Ny andianteny dia midika fa mieritreritra lava ny fahafam-barakany izy. DH: "mieritreritra momba ny fahafam-barakako aho" # mandrakotra ahy ny henatry ny tavako Ny mpanoratra milaza ny henatra mahazo azy tahaka ny hoe zavatra izay mandrakotra azy toy ny bodofotsy norakofany. DH: "ny henatry ny tavako nandifotra ahy" # ny henatry ny tavako "ny henatra izay miseho eny amin'ny tavako." Izany dia manondro ny endrika asehon'ny tarehy vokatry ny henatra. # nohon'ny feony izay miteny mafy sy maniratsira Eto ny teny hoe "ny feo" dia manondro izay lazain'ilay olona. DH: "noho izay lazain'ny olona izay miteny mafy sy maniratsira ahy" # miteny mafy sy maniratsira Ireo teny roa ireo dia manana hevitra mitovy ary manamafy ny hamafisan'izay lazain'io olona io.