plt_tn/psa/038/003.md

711 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Davida manohy manoritsoritra ny hoe inona no ataon'ny helony sy ny henatra amin'ny vatany. Mampiasa filaza masaka izy mba hanamafisana ny vokatr'ity lesona ity.

tsy misy fahasalamana ao amin'ny taolako nohon'ny fahotako

Eto ny "taolako" dia maneho ny tenan'ny mpanoratra. DH: "ny tenako manontolo no marary nohon'ny fahotako"

manenika ahy ny heloko

Ireo heloky ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe tondra-drano izay manafotra azy. DH: "manafotra ahy tahaka ny tondra-drano ny heloko"

enta-mavesatra ho ahy ireny

Ireo heloky ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe enta-mavesatra izay tsy hainy manainga. DH: "tahaka ny entana izay mavesatra loatra ho ahy ireny"