# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Davida manohy manoritsoritra ny hoe inona no ataon'ny helony sy ny henatra amin'ny vatany. Mampiasa filaza masaka izy mba hanamafisana ny vokatr'ity lesona ity. # tsy misy fahasalamana ao amin'ny taolako nohon'ny fahotako Eto ny "taolako" dia maneho ny tenan'ny mpanoratra. DH: "ny tenako manontolo no marary nohon'ny fahotako" # manenika ahy ny heloko Ireo heloky ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe tondra-drano izay manafotra azy. DH: "manafotra ahy tahaka ny tondra-drano ny heloko" # enta-mavesatra ho ahy ireny Ireo heloky ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe enta-mavesatra izay tsy hainy manainga. DH: "tahaka ny entana izay mavesatra loatra ho ahy ireny"