plt_tn/psa/038/001.md

20 lines
935 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
# Salamo nataon'i Davida
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
# aza mibedy ahy amin'ny fahatezeranao ... aza manasazy ahy amin'ny fahaviniranao
Ireo andianteny ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary ny hevitra dia averimberina ho fanamafisana.
# mandefona ahy ny zana-tsipìkanao
Ny hamafisan'ny famaizan'i Yaveh ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe Yaveh nandefa zana-tsipìka tany amin'ny mpanoratra. DH: "Ny famaizanao dia mampanaintaina tahaka ny hoe Ianao nandefa zana-tsipìka taty amiko"
# manindry ahy ny tananao
Ny famaizan'i Yaveh ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe Yaveh namotipotika ny mpanoratra tamin'ny tanany. Eto, ny "tanana" dia manondro ny herin'i Yaveh. DH: "manamontsana ahy ny herinao"