# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo. # Salamo nataon'i Davida Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida. # aza mibedy ahy amin'ny fahatezeranao ... aza manasazy ahy amin'ny fahaviniranao Ireo andianteny ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary ny hevitra dia averimberina ho fanamafisana. # mandefona ahy ny zana-tsipìkanao Ny hamafisan'ny famaizan'i Yaveh ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe Yaveh nandefa zana-tsipìka tany amin'ny mpanoratra. DH: "Ny famaizanao dia mampanaintaina tahaka ny hoe Ianao nandefa zana-tsipìka taty amiko" # manindry ahy ny tananao Ny famaizan'i Yaveh ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe Yaveh namotipotika ny mpanoratra tamin'ny tanany. Eto, ny "tanana" dia manondro ny herin'i Yaveh. DH: "manamontsana ahy ny herinao"