plt_tn/psa/038/001.md

935 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.

Salamo nataon'i Davida

Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.

aza mibedy ahy amin'ny fahatezeranao ... aza manasazy ahy amin'ny fahaviniranao

Ireo andianteny ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary ny hevitra dia averimberina ho fanamafisana.

mandefona ahy ny zana-tsipìkanao

Ny hamafisan'ny famaizan'i Yaveh ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe Yaveh nandefa zana-tsipìka tany amin'ny mpanoratra. DH: "Ny famaizanao dia mampanaintaina tahaka ny hoe Ianao nandefa zana-tsipìka taty amiko"

manindry ahy ny tananao

Ny famaizan'i Yaveh ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe Yaveh namotipotika ny mpanoratra tamin'ny tanany. Eto, ny "tanana" dia manondro ny herin'i Yaveh. DH: "manamontsana ahy ny herinao"