plt_tn/psa/037/022.md

1.3 KiB

handova ny tany

Ny fananana ny tany dia lazaina toy ny hoe efa noraisina toy ny lova izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 37:8. DH: "handray ny tany ho fananany" na "ho ekena honina amim-piadanana ao amin'ny tany"

ho fongotra

Ny faharinganan'ny olona ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe sampan-kazo izay notapahina sy nariana izany. DH: "Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 37:8

Amin'ny alalan'i Yaveh no mahatomombana ny dian'ny olona ... azo baikoina eo imason'Andriamanitra

Ireo dia azo ambara hanehoana fifandraisana mazava sy hanazavana ny fehezanteny mivadi-drafitra. DH: "Raha misy lehilahy miaina amin'ny fomba azo baikoina eo imason'i Yaveh, dia hahatomombana ny diany Yaveh"

ny olona ... ny olona

Tsy manondro olona manokana akory ity, fa kosa ny olona amin'ny ankapobeny.

ny dian'ny olona

Maneho ny lalam-piainan'ny olona iray ny dia. DH: "ny lalam-piainanan'ny lehilahy iray"

Na dia tafintohina aza izy, dia tsy mba ho lavo

Eto ny "tafintohina" sy "lavo" dia manondro ny fihetsik'olona iray amin'ny fotoan-tsarotra. DH: "Na dia ao anaty fotoan-tsarotra aza izy, dia tsy ho lavo izany"

mihazona azy amin'ny tanany

Eto ny "tanany" dia manondro ny herin'i Yaveh, ary ny "mihazona azy" dia manondro ny fiarovana azy. DH: "miaro azy amin'ny heriny"