# handova ny tany Ny fananana ny tany dia lazaina toy ny hoe efa noraisina toy ny lova izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 37:8. DH: "handray ny tany ho fananany" na "ho ekena honina amim-piadanana ao amin'ny tany" # ho fongotra Ny faharinganan'ny olona ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe sampan-kazo izay notapahina sy nariana izany. DH: "Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 37:8 # Amin'ny alalan'i Yaveh no mahatomombana ny dian'ny olona ... azo baikoina eo imason'Andriamanitra Ireo dia azo ambara hanehoana fifandraisana mazava sy hanazavana ny fehezanteny mivadi-drafitra. DH: "Raha misy lehilahy miaina amin'ny fomba azo baikoina eo imason'i Yaveh, dia hahatomombana ny diany Yaveh" # ny olona ... ny olona Tsy manondro olona manokana akory ity, fa kosa ny olona amin'ny ankapobeny. # ny dian'ny olona Maneho ny lalam-piainan'ny olona iray ny dia. DH: "ny lalam-piainanan'ny lehilahy iray" # Na dia tafintohina aza izy, dia tsy mba ho lavo Eto ny "tafintohina" sy "lavo" dia manondro ny fihetsik'olona iray amin'ny fotoan-tsarotra. DH: "Na dia ao anaty fotoan-tsarotra aza izy, dia tsy ho lavo izany" # mihazona azy amin'ny tanany Eto ny "tanany" dia manondro ny herin'i Yaveh, ary ny "mihazona azy" dia manondro ny fiarovana azy. DH: "miaro azy amin'ny heriny"