plt_tn/psa/037/014.md

952 B

ny ratsy fanahy

Izany dia manondro ny olona ratsy fanahy. DH: "Ny olona ratsy fanahy"

Namoaka ny sabany ... nanenjana ny tsipìkany

Na ny "sabatra" na ny "tsipìka" dia fitaovam-piadiana ampiasaina hamelezana olona. Ny hoe izy ireo "namoaka" sy "nanenjana" midika fa vonona izy ireo hanomboka hamely. DH: "efa nanomana ny fitaovam-piadiany mba hamely"

hampianjera

Ity fandringanana ny olo-mahantra ity dia lazaina toy ny hoe vilany tanimanga izay ho potipotika izy ireo rehefa atsipy amin'ny tany. DH: "hamotika"

ny ory sy mahantra

Ireo fiteny roa ireo dia manondro ny olona izay tsy manan-kery hiarovana ny tenany. DH: "ny olona izay tsy afa-manohitra azy ireo"

Ny fon'izy ireo ihany no hitsatohan'ny sabany

Ny sabatra dia ohatra amin'ny fitaovam-piadiana ary ny "fo" dia maneho ny olona. Mba "hanatsatohana ny fo" dia fomba fiteny midika hoe "mamono." DH: "Ny fitaovam-piadian'izy ireo ihany no hivadika aminy ary hamono azy ireo"