# ny ratsy fanahy Izany dia manondro ny olona ratsy fanahy. DH: "Ny olona ratsy fanahy" # Namoaka ny sabany ... nanenjana ny tsipìkany Na ny "sabatra" na ny "tsipìka" dia fitaovam-piadiana ampiasaina hamelezana olona. Ny hoe izy ireo "namoaka" sy "nanenjana" midika fa vonona izy ireo hanomboka hamely. DH: "efa nanomana ny fitaovam-piadiany mba hamely" # hampianjera Ity fandringanana ny olo-mahantra ity dia lazaina toy ny hoe vilany tanimanga izay ho potipotika izy ireo rehefa atsipy amin'ny tany. DH: "hamotika" # ny ory sy mahantra Ireo fiteny roa ireo dia manondro ny olona izay tsy manan-kery hiarovana ny tenany. DH: "ny olona izay tsy afa-manohitra azy ireo" # Ny fon'izy ireo ihany no hitsatohan'ny sabany Ny sabatra dia ohatra amin'ny fitaovam-piadiana ary ny "fo" dia maneho ny olona. Mba "hanatsatohana ny fo" dia fomba fiteny midika hoe "mamono." DH: "Ny fitaovam-piadian'izy ireo ihany no hivadika aminy ary hamono azy ireo"