plt_tn/psa/037/014.md

20 lines
952 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# ny ratsy fanahy
Izany dia manondro ny olona ratsy fanahy. DH: "Ny olona ratsy fanahy"
# Namoaka ny sabany ... nanenjana ny tsipìkany
Na ny "sabatra" na ny "tsipìka" dia fitaovam-piadiana ampiasaina hamelezana olona. Ny hoe izy ireo "namoaka" sy "nanenjana" midika fa vonona izy ireo hanomboka hamely. DH: "efa nanomana ny fitaovam-piadiany mba hamely"
# hampianjera
Ity fandringanana ny olo-mahantra ity dia lazaina toy ny hoe vilany tanimanga izay ho potipotika izy ireo rehefa atsipy amin'ny tany. DH: "hamotika"
# ny ory sy mahantra
Ireo fiteny roa ireo dia manondro ny olona izay tsy manan-kery hiarovana ny tenany. DH: "ny olona izay tsy afa-manohitra azy ireo"
# Ny fon'izy ireo ihany no hitsatohan'ny sabany
Ny sabatra dia ohatra amin'ny fitaovam-piadiana ary ny "fo" dia maneho ny olona. Mba "hanatsatohana ny fo" dia fomba fiteny midika hoe "mamono." DH: "Ny fitaovam-piadian'izy ireo ihany no hivadika aminy ary hamono azy ireo"