plt_tn/psa/028/006.md

889 B

efa nandre ny feon'ny fitarainako Izy

Eto ny "feo" dia maneho izay lazain'ny mpanoratra. DH: "efa nandre izay nolazaiko rehefa nitaraina taminy aho"

Yaveh no heriko

Ny anarana hoe "hery" dia azo avadika ho "mahery." DH: "Yaveh manao ahy ho mahery"

ampingako

Ity dia maneho fa Yaveh miaro ny mpanoratra. DH: "Izy no miaro ahy"

matoky Azy ny foko

Eto ny "fo" dia maneho ilay olona manontolo. DH: "matoky aho"

ravoravo fatratra ny foko

Eto ny "fo dia maneho ilay olona manontolo. DH: "miravoravo fatratra aho"

Yaveh no herin'ny olony

Ny anarana hoe "hery" dia azo avadika ho "mahery." DH: "Yaveh mano ny olony ho mahery"

Izy no fialofana famonjen'ilay voahosony

Yaveh miaro ny mpanjaka dia lazaina toy ny hoe Yaveh no toerana izay ahafahan'ny mpanjaka mitady fiarovana. DH: "Izy no miaro ilay voatendriny ho mpanjaka"

ilay voahosony

Ity dia maneho ny mpanjaka.