plt_tn/psa/027/005.md

941 B

amin'ny androm-pahoriako

Eto ny "andro" dia maneho fotoana labva dia lava. DH: "amin'ny fotoam-pahoriako" na "rehefa manam-pahoriana aho"

hanafina ahy Izy

"hiaro ahy Izy"

ny fialofany ... an-dainy

Ireo roa ireo dia manondro ny tabernakely izay anompoan'ny mpanoratra an'Andriamanitra.

ao amin'ny firakotry ny lainy

Ny teny hoe "firakotra" dia maneho zavatra izay manafina na miaro.

Hampiakatra ahy avo ambony vatolampy Izy

Andriamanitra miaro ny mpanoratra amin'ireo fahavalony dia lazaina toy ny hoe Andriamanitra nametraka azy teo ambony vatolampy avo izay tsy tratry ny fahavalony.

ny lohako hisandratra eo ambonin'ireo fahavaloko

Izany dia maneho ny mpanoratra mahazo dera na voninahitra rehefa mandavo ireo fahavalony izy. Azo atao tso-drafitra izany. DH: "Hidera ahy ny olona rehefa mandresy ny ady amin'ireo fahavaloko aho" na "Andriamanitra hanome voninahitra ahy amin'ny famelana ahy handavo ireo fahavaloko"