# amin'ny androm-pahoriako Eto ny "andro" dia maneho fotoana labva dia lava. DH: "amin'ny fotoam-pahoriako" na "rehefa manam-pahoriana aho" # hanafina ahy Izy "hiaro ahy Izy" # ny fialofany ... an-dainy Ireo roa ireo dia manondro ny tabernakely izay anompoan'ny mpanoratra an'Andriamanitra. # ao amin'ny firakotry ny lainy Ny teny hoe "firakotra" dia maneho zavatra izay manafina na miaro. # Hampiakatra ahy avo ambony vatolampy Izy Andriamanitra miaro ny mpanoratra amin'ireo fahavalony dia lazaina toy ny hoe Andriamanitra nametraka azy teo ambony vatolampy avo izay tsy tratry ny fahavalony. # ny lohako hisandratra eo ambonin'ireo fahavaloko Izany dia maneho ny mpanoratra mahazo dera na voninahitra rehefa mandavo ireo fahavalony izy. Azo atao tso-drafitra izany. DH: "Hidera ahy ny olona rehefa mandresy ny ady amin'ireo fahavaloko aho" na "Andriamanitra hanome voninahitra ahy amin'ny famelana ahy handavo ireo fahavaloko"