plt_tn/psa/025/014.md

813 B

Ny finamanana amin'i Yaveh dia ho an'izay

"Yaveh dia sakaizan'izay." Misy mandika izay hoe "Yaveh mamboraka amin'izay." Ny famborahany amin'izy ireo dia mampiseho ny finamanana akaiky ananany amin'izy ireo.

Amin'i Yaveh mandrakariva ny masoko

Eto ny "maso" dia maneho fijerevana. Ny fijerevana an'i Yaveh dia fomba iray hilazana fa izy mangataka famonjena amin'i Yaveh. DH: "Mijery an'i Yaveh mandrakariva aho" na "Mangataka famonjena mandrakariva amin'i Yaveh aho"

fa Izy hanafaka ny tongotro amin'ny harato

Ny harato dia fandrika. Ny olona iray izay tandindonin-doza dia lazaina toy ny hoe tratra anaty harato ny tongony. DH: "hanavotra ahy amin'ny loza Izy"

Mitodiha amiko

Yaveh mifantoka amin'ny olona iray sy mihevitra azy dia lazaina toy hoe Yaveh tenany mihitsy no mitodika amin'ilay olona.