plt_tn/psa/022/026.md

28 lines
1.2 KiB
Markdown

# Ny ory hihinana ka ho afa-po
Io dia manondro ny sakafom-piombonana izay atao aorian'ny mpanoratra manolotra ho an'Andriamanitra ny sorona nampanantenainy. Hanasa ireo izay mijaly Izy hihinana sombiny amin'ilay biby nataony sorona.
# izay mitady an'i Yaveh
Ireo izay te hahalala an'i Yaveh sy mifaly aminy dia lazaina toy ny hoe tena miezaka ny hahita an'i Yaveh tokoa izy ireo.
# Ny fonareo anie ho velona mandrakizay
Ny "fo" eto dia maneho ilay olona manontolo. DH: "ianareo anie ho velona mandrakizay"
# Hahatsiaro ary hiverina amin'i Yaveh
Ny fanombohana ny hankatò an'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe ny olona tenany mihitsy no mitodika any amin'i Yaveh. DH: "hahatsiaro an'i Yaveh ka hankatò Azy"
# hiankohoka eo anatrehanao ireo fianakaviana rehetra amin'ny firenena marobe
Izany dia midika zavatra mitovy amin'ny tapany voalohany amin'ny fehezanteny. Manamafy ny mpanoratra fa ny olon-drehetra avy amin'ny toerana rehetra dia hanompo sy hankatò an'i Yaveh.
# hiankohoka eo anatrehanao
Ity dia marika natao ho fanomezam-boninahitra sy fanajana olona.
# eo anatrehanao
Ny "Anao" eto dia manondro an'i Yaveh. Azo adika amin'ny mpisolo anarana fahatelo izany mba hifandraika amin'ny tapany voalohany amin'ny fehezanteny. DH: "eo anoloany"