# Ny ory hihinana ka ho afa-po Io dia manondro ny sakafom-piombonana izay atao aorian'ny mpanoratra manolotra ho an'Andriamanitra ny sorona nampanantenainy. Hanasa ireo izay mijaly Izy hihinana sombiny amin'ilay biby nataony sorona. # izay mitady an'i Yaveh Ireo izay te hahalala an'i Yaveh sy mifaly aminy dia lazaina toy ny hoe tena miezaka ny hahita an'i Yaveh tokoa izy ireo. # Ny fonareo anie ho velona mandrakizay Ny "fo" eto dia maneho ilay olona manontolo. DH: "ianareo anie ho velona mandrakizay" # Hahatsiaro ary hiverina amin'i Yaveh Ny fanombohana ny hankatò an'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe ny olona tenany mihitsy no mitodika any amin'i Yaveh. DH: "hahatsiaro an'i Yaveh ka hankatò Azy" # hiankohoka eo anatrehanao ireo fianakaviana rehetra amin'ny firenena marobe Izany dia midika zavatra mitovy amin'ny tapany voalohany amin'ny fehezanteny. Manamafy ny mpanoratra fa ny olon-drehetra avy amin'ny toerana rehetra dia hanompo sy hankatò an'i Yaveh. # hiankohoka eo anatrehanao Ity dia marika natao ho fanomezam-boninahitra sy fanajana olona. # eo anatrehanao Ny "Anao" eto dia manondro an'i Yaveh. Azo adika amin'ny mpisolo anarana fahatelo izany mba hifandraika amin'ny tapany voalohany amin'ny fehezanteny. DH: "eo anoloany"