plt_tn/psa/022/006.md

1.1 KiB

Nefa kankana aho fa tsy mba olona

Ny mpanoratra miteny ny tenany toy ny hoe kankana izy. Manamafy izany fa mahatsiaro tsy manam-bidy na ny olona no manao azy ho toy ny tsy misy vidiny. DH: "Nefa aho dia tahaka ny kankana fa tsy mba olona"

fahafam-baraka ho an'ny olombelona ary nataon'ny olona tsinontsinona

Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. Ny andianteny hoe "nataon'ny olona tsinontsinona" dia azo atao tso-drafitra. DH: "ny rehetra mihevitra fa tsy misy dikany aho ary mankahala ahy ny olona"

miteny ratsy ahy; esoin'izy ireo aho; ary manifikifi-doha amiko izy ireo

Ireo andianteny telo ireo dia mifampizara hevitra mitovy ary manamafy ny haben'ny tsy fanajan'ny olona azy.

manifikifi-doha amiko izy ireo

Mamaritra fihetsika hanesoana olona izany.

Matoky an'i Yaveh izy ... fa ankasitrahiny izy

Miteny ity ny olona mba hanesoana ny mpanoratra. Tsy mino marina izy ireo fa Yaveh hamonjy azy.

Avelao Izy hanavotra azy

"Avelao Yaveh hanavotra azy"

fa ankasitrahiny izy

Ireo mety ho heviny dia 1) "fa Yaveh mankasitraka azy" 2) "fa izy mifaly ao amin'i Yaveh"