# Nefa kankana aho fa tsy mba olona Ny mpanoratra miteny ny tenany toy ny hoe kankana izy. Manamafy izany fa mahatsiaro tsy manam-bidy na ny olona no manao azy ho toy ny tsy misy vidiny. DH: "Nefa aho dia tahaka ny kankana fa tsy mba olona" # fahafam-baraka ho an'ny olombelona ary nataon'ny olona tsinontsinona Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. Ny andianteny hoe "nataon'ny olona tsinontsinona" dia azo atao tso-drafitra. DH: "ny rehetra mihevitra fa tsy misy dikany aho ary mankahala ahy ny olona" # miteny ratsy ahy; esoin'izy ireo aho; ary manifikifi-doha amiko izy ireo Ireo andianteny telo ireo dia mifampizara hevitra mitovy ary manamafy ny haben'ny tsy fanajan'ny olona azy. # manifikifi-doha amiko izy ireo Mamaritra fihetsika hanesoana olona izany. # Matoky an'i Yaveh izy ... fa ankasitrahiny izy Miteny ity ny olona mba hanesoana ny mpanoratra. Tsy mino marina izy ireo fa Yaveh hamonjy azy. # Avelao Izy hanavotra azy "Avelao Yaveh hanavotra azy" # fa ankasitrahiny izy Ireo mety ho heviny dia 1) "fa Yaveh mankasitraka azy" 2) "fa izy mifaly ao amin'i Yaveh"