plt_tn/psa/007/006.md

1.1 KiB

Mitsangàna, Yaveh o, amin'ny hatezeranao

Ny mitsangana dia midika hoe manao zavatra na mihetseha. DH: "Manaova zavatra amin'ny hatezeranao" na "Tezera amin'ireo fahavaloko ka mihetseha"

mitsangàna manoloana ny fahatezeran'ireo fahavaloko

Ny fiadiana amin'ny olona dia lazaina toy ny hoe mitsangana hanohitra azy ireo. DH: "Miadia amin'ny fahatezeran'ireo fahavaloko" na "tafiho ireo fahavalokoizay tezitra amiko"

ny fahatezeran'ireo fahavaloko

Ny fahatezeran'izy ireo dia midika ny famelezany. DH: "ny fanafihan'ireo fahavaloko" na "ireo fahavaloko izay mamely ahy"

mifohaza

Ny fifohazana dia midika fanombohana hanao zavatra na hihetsehana. DH: "Mihetseha" na "manaova zavatra"

noho ny amiko

"ho ahy" na "hamonjy ahy"

Miangona manodidina anao ireo firenena

Eto ny teny hoe "firenena" dia midika hoe ireo tafika rehetra izay efa niangona hamely.

alaivo eo amin'izy ireo indray ny fitoeranao marina

Ny fanapahan'ny olona dia lazaina toy ny hoe eo amin'izy ireo. Ny fitoerana masin'i Yaveh dia manondro na ny any an-danitra na ny fanapahana amin'ny ankapobeny. DH: "Anjakao avy any an-danitra eo amin'izy ireo" na "Anjakao eo amin'izy ireo"