# Mitsangàna, Yaveh o, amin'ny hatezeranao Ny mitsangana dia midika hoe manao zavatra na mihetseha. DH: "Manaova zavatra amin'ny hatezeranao" na "Tezera amin'ireo fahavaloko ka mihetseha" # mitsangàna manoloana ny fahatezeran'ireo fahavaloko Ny fiadiana amin'ny olona dia lazaina toy ny hoe mitsangana hanohitra azy ireo. DH: "Miadia amin'ny fahatezeran'ireo fahavaloko" na "tafiho ireo fahavalokoizay tezitra amiko" # ny fahatezeran'ireo fahavaloko Ny fahatezeran'izy ireo dia midika ny famelezany. DH: "ny fanafihan'ireo fahavaloko" na "ireo fahavaloko izay mamely ahy" # mifohaza Ny fifohazana dia midika fanombohana hanao zavatra na hihetsehana. DH: "Mihetseha" na "manaova zavatra" # noho ny amiko "ho ahy" na "hamonjy ahy" # Miangona manodidina anao ireo firenena Eto ny teny hoe "firenena" dia midika hoe ireo tafika rehetra izay efa niangona hamely. # alaivo eo amin'izy ireo indray ny fitoeranao marina Ny fanapahan'ny olona dia lazaina toy ny hoe eo amin'izy ireo. Ny fitoerana masin'i Yaveh dia manondro na ny any an-danitra na ny fanapahana amin'ny ankapobeny. DH: "Anjakao avy any an-danitra eo amin'izy ireo" na "Anjakao eo amin'izy ireo"