plt_tn/psa/007/006.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Mitsangàna, Yaveh o, amin'ny hatezeranao
Ny mitsangana dia midika hoe manao zavatra na mihetseha. DH: "Manaova zavatra amin'ny hatezeranao" na "Tezera amin'ireo fahavaloko ka mihetseha"
# mitsangàna manoloana ny fahatezeran'ireo fahavaloko
Ny fiadiana amin'ny olona dia lazaina toy ny hoe mitsangana hanohitra azy ireo. DH: "Miadia amin'ny fahatezeran'ireo fahavaloko" na "tafiho ireo fahavalokoizay tezitra amiko"
# ny fahatezeran'ireo fahavaloko
Ny fahatezeran'izy ireo dia midika ny famelezany. DH: "ny fanafihan'ireo fahavaloko" na "ireo fahavaloko izay mamely ahy"
# mifohaza
Ny fifohazana dia midika fanombohana hanao zavatra na hihetsehana. DH: "Mihetseha" na "manaova zavatra"
# noho ny amiko
"ho ahy" na "hamonjy ahy"
# Miangona manodidina anao ireo firenena
Eto ny teny hoe "firenena" dia midika hoe ireo tafika rehetra izay efa niangona hamely.
# alaivo eo amin'izy ireo indray ny fitoeranao marina
Ny fanapahan'ny olona dia lazaina toy ny hoe eo amin'izy ireo. Ny fitoerana masin'i Yaveh dia manondro na ny any an-danitra na ny fanapahana amin'ny ankapobeny. DH: "Anjakao avy any an-danitra eo amin'izy ireo" na "Anjakao eo amin'izy ireo"