plt_tn/psa/003/001.md

20 lines
780 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny tonokalo Hebreo.
# Salamo nataon'i Davida
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
# Yaveh o, firy ireo fahavaloko!
Ity fehezanteny ity dia maneho ny fihetseham-pon'i Davida amin'ny fatahorany ireo fahavalony. DH: "Yaveh o, manam-pahavalo betsaka aho!"
# efa nitsangana hanohitra ahy
Ny fiadiana amin'ny olona iray dia lazaina ihany koa hoe mitsangana hanohitra azy. DH: "tonga hanohitra ahy"
# Sela
Ity dia mety ho fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany.