# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Ny fitoviana dia iraisana amin'ny tonokalo Hebreo. # Salamo nataon'i Davida Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida. # Yaveh o, firy ireo fahavaloko! Ity fehezanteny ity dia maneho ny fihetseham-pon'i Davida amin'ny fatahorany ireo fahavalony. DH: "Yaveh o, manam-pahavalo betsaka aho!" # efa nitsangana hanohitra ahy Ny fiadiana amin'ny olona iray dia lazaina ihany koa hoe mitsangana hanohitra azy. DH: "tonga hanohitra ahy" # Sela Ity dia mety ho fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany.