plt_tn/psa/003/001.md

780 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ny fitoviana dia iraisana amin'ny tonokalo Hebreo.

Salamo nataon'i Davida

Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.

Yaveh o, firy ireo fahavaloko!

Ity fehezanteny ity dia maneho ny fihetseham-pon'i Davida amin'ny fatahorany ireo fahavalony. DH: "Yaveh o, manam-pahavalo betsaka aho!"

efa nitsangana hanohitra ahy

Ny fiadiana amin'ny olona iray dia lazaina ihany koa hoe mitsangana hanohitra azy. DH: "tonga hanohitra ahy"

Sela

Ity dia mety ho fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany.