plt_tn/pro/28/13.md

1.1 KiB

manafina ny fahotany

"manarona ny fahotany." Mifanohitra amin'ny fiaikena na fahafoizana ny fahotana, ary manarona ny fahotana fa tsy mampiharihary izany kosa no fomba iresahana azy.

ambinina

"mahomby" na "mandroso"

izay miaiky sy mahafoy ireo no hanehoana famindram-po

Io dia azo atao hoe DH: "Haneho famindram-po amin'izay miaiky sy mahafoy ny fahotany Andriamanitra"

Ho tahiana izay miaina amin'ny fanehom-panajana mandrakariva

Io dia azo atao hoe DH: "Hitahy izay miaina amin'ny fanehoam-panajana mandrakariva Andriamanitra"

miaina amin'ny fanehom-panajana

Ny anarana hoe "fanehom-panajana" dia azo atao amin'ny endrika mpamari-toetra. DH: "miaina fiainana feno fanajana"

fanehom-panajana

Ilazana ny fanajana lalina an'i Yaveh sy fanehoana izany haja izany amin'ny fankatoavana azy io.

izay rehetra manamafy ny fony

"izay manamafy ny fony"

manamafy ny fony

Fomba fiteny izay midika hoe maditra na tsy vonona ny hankatoa an'Andriamanitra io. DH: "mandà ny hankatoa an'Andriamanitra"

ho tra-pahoriana

Ilazana ny fiafarana amin'ny loza sy fahoriana izany. DH: "hiafara amin'ny fahoriana"