# manafina ny fahotany "manarona ny fahotany." Mifanohitra amin'ny fiaikena na fahafoizana ny fahotana, ary manarona ny fahotana fa tsy mampiharihary izany kosa no fomba iresahana azy. # ambinina "mahomby" na "mandroso" # izay miaiky sy mahafoy ireo no hanehoana famindram-po Io dia azo atao hoe DH: "Haneho famindram-po amin'izay miaiky sy mahafoy ny fahotany Andriamanitra" # Ho tahiana izay miaina amin'ny fanehom-panajana mandrakariva Io dia azo atao hoe DH: "Hitahy izay miaina amin'ny fanehoam-panajana mandrakariva Andriamanitra" # miaina amin'ny fanehom-panajana Ny anarana hoe "fanehom-panajana" dia azo atao amin'ny endrika mpamari-toetra. DH: "miaina fiainana feno fanajana" # fanehom-panajana Ilazana ny fanajana lalina an'i Yaveh sy fanehoana izany haja izany amin'ny fankatoavana azy io. # izay rehetra manamafy ny fony "izay manamafy ny fony" # manamafy ny fony Fomba fiteny izay midika hoe maditra na tsy vonona ny hankatoa an'Andriamanitra io. DH: "mandà ny hankatoa an'Andriamanitra" # ho tra-pahoriana Ilazana ny fiafarana amin'ny loza sy fahoriana izany. DH: "hiafara amin'ny fahoriana"