plt_tn/pro/27/03.md

1.4 KiB

ny fihantsian'ny adala dia mavesatra kokoa noho ireo roa ireo

Ny fahasarotan'ny fiaretana amin'ny adala izay mihantsy anao dia resahina toy ny hoe mavesatra izany fahasarotana izany. DH: "ny fihantsian'ny adala dia sarotra leferina noho ireo" na "sarotra kokoa ny miaritra rehefa mihantsy anao ny adala noho ny miaritra rehefa milanja ireo"

ny fihantsiana ny adala

"ny korontana ateraky ny adala." Ny "fihantsiana" dia midika hoe fihetsika na teny izay miteraka hatezerana na fanirikiriana.

Misy ny habibian'ny havinirana sy ny fandriaky ny hatezerana, fa iza no afaka hijoro eo anoloan'ny hasarotam-piaro?

Ny anarana hoe "havinirana," "hatezerana" ary "hasatrotam-piaro" dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra. DH: "Ny olona vinitra dia lozabe ary ny olona tezitra dia mandifotra, fa iza no afaka mijoro eo anatrehan'ny olona saro-piaro?"

habibian'ny

"fahasiahana"

fandriaky ny hatezerana

"ny fandravaravan'ny hatezerana." Ny hatezerana dia resahina toy ny hoe riaka mahery vaika.

fa iza no afaka hijoro eo anoloan'ny hasarota-piaro?

Ity fanontaniana ity dia misy hevitra ambadika fa tsy misy afa-mijoro eo anatrehan'ny hasarotam-piaro. DH: "fa tsy misy afaka mijoro eo anatrehan'ny hasarotam-piaro"

hijoro eo anoloan'ny hasarota-piaro

Eto ny fijoroana dia ilazana hoe matanjaka sy mahatohitra ny fandratran'ny olona saro-piaro izay mamely. DH: "mahatohitra ny olona saro-piaro" na "mitoetra matanjaka rehefa misy olona saro-piaro mamely azy"