# ny fihantsian'ny adala dia mavesatra kokoa noho ireo roa ireo Ny fahasarotan'ny fiaretana amin'ny adala izay mihantsy anao dia resahina toy ny hoe mavesatra izany fahasarotana izany. DH: "ny fihantsian'ny adala dia sarotra leferina noho ireo" na "sarotra kokoa ny miaritra rehefa mihantsy anao ny adala noho ny miaritra rehefa milanja ireo" # ny fihantsiana ny adala "ny korontana ateraky ny adala." Ny "fihantsiana" dia midika hoe fihetsika na teny izay miteraka hatezerana na fanirikiriana. # Misy ny habibian'ny havinirana sy ny fandriaky ny hatezerana, fa iza no afaka hijoro eo anoloan'ny hasarotam-piaro? Ny anarana hoe "havinirana," "hatezerana" ary "hasatrotam-piaro" dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra. DH: "Ny olona vinitra dia lozabe ary ny olona tezitra dia mandifotra, fa iza no afaka mijoro eo anatrehan'ny olona saro-piaro?" # habibian'ny "fahasiahana" # fandriaky ny hatezerana "ny fandravaravan'ny hatezerana." Ny hatezerana dia resahina toy ny hoe riaka mahery vaika. # fa iza no afaka hijoro eo anoloan'ny hasarota-piaro? Ity fanontaniana ity dia misy hevitra ambadika fa tsy misy afa-mijoro eo anatrehan'ny hasarotam-piaro. DH: "fa tsy misy afaka mijoro eo anatrehan'ny hasarotam-piaro" # hijoro eo anoloan'ny hasarota-piaro Eto ny fijoroana dia ilazana hoe matanjaka sy mahatohitra ny fandratran'ny olona saro-piaro izay mamely. DH: "mahatohitra ny olona saro-piaro" na "mitoetra matanjaka rehefa misy olona saro-piaro mamely azy"