plt_tn/pro/27/03.md

28 lines
1.4 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# ny fihantsian'ny adala dia mavesatra kokoa noho ireo roa ireo
Ny fahasarotan'ny fiaretana amin'ny adala izay mihantsy anao dia resahina toy ny hoe mavesatra izany fahasarotana izany. DH: "ny fihantsian'ny adala dia sarotra leferina noho ireo" na "sarotra kokoa ny miaritra rehefa mihantsy anao ny adala noho ny miaritra rehefa milanja ireo"
# ny fihantsiana ny adala
"ny korontana ateraky ny adala." Ny "fihantsiana" dia midika hoe fihetsika na teny izay miteraka hatezerana na fanirikiriana.
# Misy ny habibian'ny havinirana sy ny fandriaky ny hatezerana, fa iza no afaka hijoro eo anoloan'ny hasarotam-piaro?
Ny anarana hoe "havinirana," "hatezerana" ary "hasatrotam-piaro" dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra. DH: "Ny olona vinitra dia lozabe ary ny olona tezitra dia mandifotra, fa iza no afaka mijoro eo anatrehan'ny olona saro-piaro?"
# habibian'ny
"fahasiahana"
# fandriaky ny hatezerana
"ny fandravaravan'ny hatezerana." Ny hatezerana dia resahina toy ny hoe riaka mahery vaika.
# fa iza no afaka hijoro eo anoloan'ny hasarota-piaro?
Ity fanontaniana ity dia misy hevitra ambadika fa tsy misy afa-mijoro eo anatrehan'ny hasarotam-piaro. DH: "fa tsy misy afaka mijoro eo anatrehan'ny hasarotam-piaro"
# hijoro eo anoloan'ny hasarota-piaro
Eto ny fijoroana dia ilazana hoe matanjaka sy mahatohitra ny fandratran'ny olona saro-piaro izay mamely. DH: "mahatohitra ny olona saro-piaro" na "mitoetra matanjaka rehefa misy olona saro-piaro mamely azy"