plt_tn/pro/23/06.md

861 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).

olona manao maso ratsy

Ireo mety ho heviny dia 1) olona kahihitra, olona izay tsy tia manome zavatra ho an'ny hafa, na 2) olon-dratsy (UDB)

aza maniry

"Aza maniry fatratra." Jereo ny nandikanao ny "maniry fatratra" ao amin'ny 21:19.

hanim-piny

"sakafo manokana lafo vidy" (UDB). Adikao araka ny ao amin'ny 23:1.

tsy aminao ny fony

Fomba fiteny io. DH: "tena tsy te hankafy ilay sakafo akory izy"

Haloanao izay kely nohaninao

Filaza masaka io. DH: "Ho naleonao tsy nihinana na inona na inona"

ho very foana ny teny fandokanao

Ny fandokafana dia resahina toy ny hoe zavatra sarobidy. Ny anarana hoe "fandokana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "tsy ho faly izy na dia milaza zavatra tsara momba azy sy ny sakafo aza ianao"